Notanterahina teny amin’ ny «circuit» Imerintsiatosika, ny sabotsy 25 sy ny alahady 26 jolay lasa teo, ny dingana faharoa amin’ny Slalom Vovoka. Fifaninanana nokarakarain’ny klioba Tac’s. Nanjaka ny ekipazy FMMSAM tamin’ ity. Ny mpanamory avy amin’ izy ireo no nitana ny laharana roa voalohany, teo amin’ny sokajy fiarakodia. Nandrombaka ny fandresena, Rakotojohary Juan, nitondra ny fiara Clio Motul. Faharoa, Randriamanga Andy (Boutax), niaraka tamin’ny fiara Peugeot 206.
Nirefy 1,500 km ny halaviran-dalana nifaninanana izay tany avokoa. Nisy ny dingana roa notanterahina amin’ny andro mazava ary ny iray kosa natao tamin’ny alina.
Vitan’i Juan tao anatin’ny 5 mn 29, 40 s ireo rehefa natambatra ny isany. Nandritra ny dingana voalohany, natao tamin’ny “circuit” roa. Nanana fe-potoana tsara 1 mn 49, 67 s izy teo amin’ny voalohany ary 1 mn 49, 97 s ny faharoa. Teo amin’ny dingana ho an’ny alina indray, tontosany tao anatin’ny 1 mn 49, 77 izany.
5 mn 43, 57 s kosa ny fe-potoana ho an’i Andy ary 5 mn 45, 40 s ny an-dRabesaotra Mickael (Kmickaz), mpanamorin’ny klioba AM Go Jang. Nanaraka azy teo amin’ny laharana fahefatra, i Evan Tiars, nahatontosa ny fifaninanana tao anatin’ny 5 mn 49, 01 s. Dingana manaraka ny 19 sy 20 septambra izao, karakarain’ny klioba FMMSAM.
Tompondaka




