Basikety-Mada U14 : Ekipa 48 lahy sy 41 vavy hifaninana eto Analamanga

Hotanterahina eto Analamanga, ny 1 hatramin’ny 9 aogositra izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 14 taona, lahy sy vavy. Ekipa 48 lahy sy 41 vavy no hifaninana amin’izany.

Kianja 3 eto Antananarivo dia ny eny amin’ny Ki­anja mitafon’i Maha­ma­sina sy Kianja Barea eo ivelany roa no handraisana ny fifaninanana nasionaly U14, raha toa ka saika natao tany Ma­nanjary izany. Ligy 17 no ha­hatonga solontena, araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety, tamin’ny alalan’ny filoha lefitra Ramanarivo Alain.  Nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly,  teny amin’ny Lapan’ny tanà­nan’Antananarivo no nanambarany izany. Miara-misalahy amin’ny fandraisana ity fifaninanana ity ny FMBB sy ny li­gin’Analamanga. Manohana azy ireo ny kaominina Antana­narivo Renivohitra amin’ny fanomezana kianja hilalaovana. Voatendry ho filohan’ny fi­karakarana ny fifaninanana kosa Ramahandrimanana Hasina, izay nanazava ny fizotry ny fifaninanana. Haha­ritra 5 andro eo ny fifanintsanana isam-bondrona. Miroso amin’ny ampahavalon-dalana sy ny dingana farany aorian’izay. Ao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina no hanatanterahana ny famaranana.  Ho sarotiny amin’ny fanaraha-maso amin’ny resaka hala-taona ny mpikarakara. Miara-miasa akaiky amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena izy ireo hanaovana ny sivana amin’ireo mpandray anjara. Hohamafisina mafy koa ny fandriampahalemana, indrindra amin’ny savorovoro amin’ny hala-jaza misy amin’izao fotoana izao. Antony nahatonga ny mpikarakara hampifanakaiky ny kianja hilalaovana izany. Aorian’ity fifaninanana ho an’ny U14 ity, ny sokajy Vétérans indray no hiditra an-tsehatra, araka ny tohin’ny fandaharam-potoana.

Mi.Raz

Partager sur: