Nahatratra 100 mahery ireo mpifaninana tamin’ny lalao hazakazaka am-bisikileta nokarakarain’ny ligin’ Analamanga, mitondra ny anarana hoe: «Rodorodon’I arivo ». Hetsika notontosaina ny alahady teo, niainga teo Andohatapenaka hatrany Ambohitrimanjaka. Tamin’ity andiany fahadimy ity, azon’i Bienvenue ny laharana voalohany.
Miatrika fampivondronana eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny ekipa malagasy latsaky ny 18 taona, taranja Volley ball. Manomana ny fifaninanana “Championnat des Nations CAVB Zone 7” izay hatao eto Madagasikara, manomboka ny 4 aogositra izao, izy ireo.
Tanterahina any Fianarantsoa, nanomboka ny 25 jolay lasa teo, haharitra hatramin’ny 1 aogositra izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 13 taona sy latsaky ny 17 taona; lahy sy vavy, taranja Volley. Efa vita ny fifaninanana isam-bondrona ary hiditra amin’ny dingana farany manomboka anio.
Natolotra, afakomaly, tao Paris France, i Zinedine Zidane, mpanazatra ny ekipam-pirenena frantsay Les Bleus. Nilaza ity Frantsay kintan’ny baolina kitra fahiny ity fa efa nofinofiny hatramin’ny ela izany hitantana ny ekipa nasionalin’i France izany ary maro ireo klioba efa niantso azy, nolaviny noho ny fitiavana ny hitondra an’io ekipam-pirenena io.




