Pentathlon moderne – Mada 2026 : Hatao any Antsirabe ny fifaninanam-pirenena

Hontanterahina ny sabotsy 1 aogositra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja Pentathlon moderne. Handray izany ny faritra Vakinankaratra ka ha­tao ao amin’ny Kianja Lycée André Resampa Antsirabe ny fifaninanana. Araka ny nambaran’i Harimalala Poun, filoha lefitry ny Federasionina, somary natoritory ny Penthat­lon tao ho ao fa efa mifoha ary ao anatin’ny heriny tanteraka amin’izao fotoana izao. Hisan­tarana izany ity fifaninanam-pirenena 2026 ity. Hanana ny lanjany lehibe ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara ity satria hitiliana izay hisolo tena ny Malagasy eo amin’ny fifaninanana afrikanina, hatao any Egypte, ny 15 – 18 oktobra ho avy izao.
Atleta 150 mianadahy no andrasana, avy amin’ny ligim-paritra efatra dia Vakinanka­ratra mpampiantrano, Alaotra Mangoro, Itasy ary Anala­man­ga. Hanana solontena betsaka indrindra, amin’izany, ny ligin’ Antsirabe izay hahatratra 70 avy amin’ny klioba miisa 5. Ham­piavaka ity fifaninanam-pirenena ity ny fisian’ny fitifirana basy na ny Laser Run Tour 2026, andiany voalohany. Izany hoe, sady hihazakazaka ny mpifaninana no mitifitra basy. “Mananosarotra izy ity satria lafo vidy ilay basy. Ma­nampy amin’ny fampitaovana ny federasionina mba hahazoan’ireo atleta manao fanazarantena”, hoy i Harimalala Poun.

Tompondaka

Partager sur: