11 andro taorian’ny fahavitan’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany amin’ny baolina kitra “Mondial 2026”, notanterahina, omaly, ny fanolorana loka ho an’ireo mpanjifa ny World Cola (Woco), tamin’ny “pronostic score” sy ny “pronostic champion”. Natao teny amin’ny foibe toeran’ny Star Andranomahery izany. Nandrombaka ny loka goavana, “moto électrique, marque QJ Motors”, i Nomenjanahary Roberto Carlos, mpanjifa avy any Mahajanga. Izy no nahita ny valiny marina tamin’ireo mpifaninana. Naneho ny hafaliany ny tenany ary nisaotra ny mpikarakara. Tsiahivina fa mbola mpianatra ny tovolahy. Notolorana “Nitendo” kosa Andrianirina Antonio Totty, laharana faharoa. “Smartphone” sy loka hafa ny an-dRambelsin Nadège, fahatelo. Ankoatra izay, lasan’i Has Inah, ny PS5 sy loka maro isan-karazany, nahita ny “pronostic gagnant”.
Tsiahivina fa nahatratra 40 mianadahy mianaka ireo nahazo loka avy amin’ny Woco, mpanjifa ny vokatra avy amin’ny faritra 22 manerana an’i Madagasikara. Ireo nahita ny valiny marina tamin’ ny “score” sy ny ekipa nandresy nanomboka teo amin’ny dingana ampahavalon-dalana ka hatramin’ny famaranana izy ireo. Nisy ireo nomena famantaranandro, finday avo lenta, zava-pisotro sy fanamiana ary kitapokely.
Tompondaka




