Namoizan’aina olona roa ny haintrano mahatsiravina tetsy Ivato, ny alin’ny talata 4 aogositra. Ankizivavy 16 taona sy ramatoa iray hafa lasibatra nandritra ny loza.
Namoy ny ainy ny renim-pianakaviana iray sy zatovovavy 16 taona, tao Antsahambilo, fokontany K1, kaominina Ivato, distrika Ambohidratrimo, afakomaly alina. Nahita afo nirehetra tamin’ny trano nisy azy ireo, araka ny filazan’ny olona manodidina. Tokony ho tamin’ny 10 ora sy 20 minitra no nitrangan’izany. Nalaky nihitatra ny firehetana, nahavoakasika trano maromaro. Nanao izay ho afany tamin’ny fifehezana ny afo ny mponina voakasika. Nanano sarotra ny fifehezana ny hazo. Vokany, naharitra ora maromaro ny famonoana ny afo. « Efa niantso ny sampana mpamonjy voina ireo lasibatra. Vokatry ny fifanomezan-tanana nataon’ny mponina eo anivon’ny fokontany, voafehy ny afo », hoy ny fanazavana voaray avy amin’ny zandarimaria misahana ny fanadihadiana. Hita faty efa hotohoton’ny afo ny mpianaka lasibatra tamin’ilay haintrano. Tsy afaka nialana nenina intsony izy ireo.
Manjavozavo
Mizara roa ny ahiahian’ny nanatri-maso momba ilay firehetana nahafaty olona. Araka ny loharanom-baovao, antony iray voalohany mety nahatonga ny afo ny fifampikasohan’ ny herinaratra ho azy ireo. Etsy ankilany, misy amin’ny mponina manahy fa mety ho vokatry ny pitik’afo tao amin’ ny tranon’akoho fakana nofo izany.
Manjavozavo ny antony nahatonga ilay haintrano. Tokantrano miisa enina no lasibatra tamin’ny tranga. May avokoa ny 70% tamin’ny trano nirehitra. Niroso tamin’ny fikarakarana ny nofo mangatsikan’ireo namoy ny ainy ny fianakaviany. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny zandarimaria.
Tsiferana R.




