Hala-jaza teny Ankazomanga: Vehivavy iray nalefa eny Anjanamasina

Niakatra fampanoavana afakomaly, voaporofo fa manana olana ara-tsaina ka nalefa notsaboina eny amin’ny hopi­talin’Anjanamasina ny vehivavy iray. Niditra an-tsokosoko tao amin’ny tokantrano iray teny Ankazomanga izy. Zazalahy 9 taona nijanona irery tao amin’ny trano nidiran’io vehivavy io. Nikorontana ny manodidina noho ny fisian’ny tranga hala-jaza tato ho ato. Nosamborina ilay renim-pianakaviana, nentina teny anivon’ny mpitandro filaminana. Niahiahy avokoa ny fokonolona teny an-toerana fa mpangala-jaza izy.
Niroso tamin’ny fanadihadiana ny polisy. Nentina teny anatrehan’ny fampanoavana ilay vehivavy. Ankoatra izay, mpianadahy 15 sy 17 taona tafaverina soa aman-tsara anivon’ny fianakaviana. Nandao ny trano fonenany tsy nampahafantatra ny ray aman-dreniny ireo ankizy ireo. Natao ombay mitady kanjo niverina nody.

Tsiferana R.

Partager sur: