Voasambotry ny zandary tany anaty ala manakaiky ny fokontany Ianademby, kaominina ambanivohitra Tranovaho, distrikan’i Beloha, omaly maraina tokony ho tamin’ny 02 ora sy 30 minitra, ny lehilahy iray, 20 taona. Nikasa hanondrana zana-tsokatra manodidina ny 45 isa, izay biby voasokajy arovana izy. Efa nikasa hivoaka ilay toerana ny tenany niaraka tamin’ireo zana-tsokatra, tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary teny an-toerana.
Talohan’izao, efa tsikaritry ny mponina nanangona zana-tsokatra maro tao anaty ala io lehilahy io. Nahita izany ny fokonolona ka nampandre ny mpitandro filaminana. Nanao ny vela-pandrika avy hatrany izy ireo taorian’ny fahaaisana ny fitarainana ka izao tra-tehaka izao ilay nahavanon-doza. Marihina fa nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny zandary sy ny lehiben’ny ala any an-toerana, ireo “volontaires villageois ary ny T.S.A nahafahana nahazo ny vokatra.
Taorian’ny fisamborana azy, nentina nanaovana fanadihadiana tao amin’ny biraon’ ny zandary any an-toerana ny tenany. Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha aorian’ ny fanadihadiana ataon’ny Chef Cantonnement ao an-toerana izay misahana ny famotorana. Nalefa any amin’ ny Chef Cantonnement ao an-toerana kosa ireo sokatra miisa 45 tratra teny aminy.
Mino




