TSELATRA

Fiara iray notorohan’ny olon-dratsy tamin’ny antsibe, omaly maraina tamin’ny 3 ora tany ho any, teny amin’ny lalam-pirenena fahadimy. Nifanandrify tamin’ny fitaratry ny saofera namily ny fiara ny antsy, soa ihany fa tsy nahavoa ny mpamily. Niseho teo anelanelan’i Mantalimaro sy Anjavimilay ny loza. Voalaza fa efa maro ireo mpampiasa lalana no milaza fa niharan’izao ihany koa indrindra eo anelanelan’i Betsiaka sy Ambilobe.
Lehilahy iray, nampiahiahy nisalotra fanamiana mpitandro filaminana voasambotry ny zandary tetsy amin’ny tobim-paritra Betongolo, ny alatsinainy 3 aogositra 2026 tamin’ny 08 ora alina teo. Nisalotra aron’akanjo misoratra “POLICE”, ary nilanja basy poleta mifahan-drivotra (airsoft) izay nomarihana fa tsy misy bala. Fisandohana andraikitra, fisalorana fanamiana mpitandro filaminana. Noentina eny amin’ny biraon’ny zandary taorian’izay izy. Fantatra fa mpivarotra no asany. Efa nigadra tany Antanimora noho ny fivarotana zava-mahadomelina.
Namoaka didy vaovao ny Kaominina Bemaso­andro Itaosy, mba hifehezana ny lanonana famorana sy famadihana. Tsy mahazo manakana ny fifamoivoizana intsony ny filaharam-be na ny fivoriana eny an-dalana. Voafetra hatramin’ny 9 ora alina ny lanonana sy tabataba ary mila fahazoan-dalana avy amin’ny Kaominina raha mbola hitohy aorian’izany. Tanjona ny hitandroana ny filaminana sy ny fanajana ny mpiray vodirindrina, sady ahafahana mitazona hatrany ny fomba amam-panao malagasy.

Partager sur: