Fitsindromana “Heroïne”: naiditra am-ponja ilay Jeneraly polisy

Nalefa eny Antanimora ilay kaomisera divizionera, tratra nitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika teny amin’ny By Pass. Nanaraka fitsaboana izy mialoha ny fandefasana azy any am-ponja.

Taorian’ny fihainoana azy teny amin’ny fitsarana, afakomaly, migadra etsy Antanimora ilay kaomisera divisionera mpidoroka sady mpivarotra “Héroïne” sy Méthamphetamine. “Mbola nanaraka fitsaboana, nanadiovana ny vatany na “désintoxication” izy taorian’ny nahasamborana azy. Niandry izay vao naiditra am-ponja izy”, hoy ny loharanom-baovao. Tsy afa-bela noho ny raharaha naha voasaringotra azy izy, na niely aza ny feo fa anisan’ny fianakaviana, tsy azo kitikitihana eto amin’ny firenena izy ireo.
Ny volana janoary teo, nisy ny loharanom-baovao azon’ny mpitandro filaminana mahakasika ny fandraharahana maloto ataony. Nidina ifotony nanao ny fisamborana ny zandarimariam-pirenena. Nosamborina tao amina trano fandraisam-bahiny iray teny amin’ny lalan’ny By-Pass izy, ny alatsinainy 23 janoary alina, tamin’ny 6 ora sy sasany. “Mbola hita tao amin’ny toerana nisy azy avokoa ny fitaovana fitsindromana sy ny kojakoja miaraka amin’izany”, hoy ny loharanom-baovao. “Mbola avy nivarotra amphétamine na “drogue cristal”, milanja 30 g izy mialoha ny nahasamborana azy.

Efa voasaringotra
Ankoatra ny fidorohana, efa noahiahina ho mpanao trafikana zava-mahadomelina mahery vaika ity kaomisera divizionera ity, hatrany Toa­masina. “Efa voatonontonona tamin’ny raharaha fa-nodinkodinana zava-mahadomelina mahery vaika nahavoasaringotra mpiasan’ny fadin-tseranana, zandary sy polisy izy, roa taona lasa izay”, hoy hatrany ny loharanom-baovao.
Ankoatra ny resaka heloka bevava amin’ny trafika sy fidorohana zava-mahadomelina mahery vaika, mbola misy ny fandikan-dalàna amin’ny resaka asa eo anivon’ny polisim-pirenena. “Niala ny toeram-piasany sy ny faritra tokony hisy azy, tsy nahazo alalana izy. Heloka mahavoasazy amin’ny sehatry ny asa maha polisy. Tsy nampahalala ny lehibeny izy”, hoy hatrany ny loharanom-baovao.
Taorian’ny nahavoasambotra azy, niroso tamin’ny fanadihadiana lalina ny teo anivon’ny mpitandro filaminana ka natolotra ny fitsarana ny raharaha. Niafara tamin’ny fampidirana am-ponja azy izany ny alatsinainy teo.

Tsiferana R.

Partager sur: