“Eo ambany fiadidian’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny tsena rehetra misy eto an-toerana”, hoy ny mpanolotsain’ny kaominina, Ravololomanana Lalatiana, omaly. “Tokony hanaraka ny lamina apetraky ny Kaominina ireo nahazo alalana hivarotra rehetra”, hoy hatrany izy. Fantatra fa tsy mitovy hevitra ny mpivarotra vitsivitsy ao amin’ny tsenan’ny Pavillon Analakely amin’izao fotoana izao. Ahitana fikambanana roa samy hafa eo anivon’ny tsena. Misy tsy manaiky ny filohan’ny fikambanan’ny mpivarotra, nanao fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny kaominina Antananarivo, mba hanatsarana sy hampivoarana ny tsena eto amin’ny tanàn’Antananarivo. Miteraka savorovoro eo amin’ ny samy mpivarotra izany raha ny tatitra voaray. Efa mahatratra 646 ireo mpivarotra eo anivon’ny Pavillon Analakely, raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ny kaominina.
Hofidina ny filohan’ny fikambanana
Tsy hidiran’ny Kaominina ny raharaha tokantranon’ny mpivarotra. Fa tsy maintsy mandray andraikitra ny kaominina noho ny disadisa. Nanapa-kevitra handroso fifidianana eo anivon’ny tsena Pavillon Analakely izy ireo. Napetraky ny mpivarotra ny tetiandro hanatanterahana izany, ka hatao eo anivon’ny tsena ny 3 marsa ho avy izao izany. Natsangana ireo komity hitantana ny fifidianana. Nahitana solontenan’ireo mpivarotra 13 ao anatiny. Manara-maso ny fifidianana sy ny dingana rehetra ny kaominina mba hisian’ny mangarahara tanteraka.
«Manentana sy manasa ireo mpivarotra mbola manana olana ny avy ao amin’ny kaominina mba ho avy hiresaka sy handray anjara amin’ny fifidianana», hoy hatrany ity mpanolotsain’ny kaominina ity. Nilaza izy fa afaka mirotsaka hofidina ihany koa ireo mpivarotra mbola manana olana.
Mino (mpianatra asa)