Tsenan’Anosizato : nahena ny fandoavana haban-tsena ho an’ireo mpivarotra

Nijery ny zava-misy teny anivon’ny tsenan’Anosizato ny ben’ny Tanànan’Antana­narivo sy ny mpiara-miasa aminy, omaly maraina. Noho ny fisian’ny krizy, nohalefahiny ny fandoavana ny haban-tsena mbola tsy voaloan’ireo mpivarotra eny an-toerana.
Maro ny fangatahana na­taon’ireo mpivarotra nandritra ny fihaonana. Nitaky ny fitaovana hanadiovana sy hana­lana ny fako mitoby eny anivon’ny tsena izy ireo. Nitaky ny hampidirana ireo mpivarotra amoron-dalana ho ao anatin’ny tsena ihany koa. Teo koa ny hanamorana ny fandoavana ny haban-tsena sy hetra izay mampisy olana be­tsaka eo anivon’ny tsena sy ireo mpivarotra, araka ny fa­nazavana voaray. “Mba hipetraka ho tsena manara-penitra madio sy milamina toy ny tsena rehetra ny ety aminay”, hoy ny filohan’ny tsena Ano­sizato, Mamitahiana Felicien Jacquis.
“Mba hahafahana mahita ny lesoka tokony harenina sy hanohizana ny tsara vita amin’ny fitantanana ny tsena eto Antananarivo ny tanjon’ ny fidinana ifotony”, hoy ny ben’ny Tanànan’Antana-narivo Renivohitra, Andriantsi­to­haina Naina. Marihina fa nahafa-po ireo mpivarotra ny valin-tenin’ny ben’ny Tanàna. Anisan’izany ny famakiana ny lakandrano iray eny an-toe­rana. Mba hahafahan’ny rano mandeha tsara araka ny to­kony ho izy. Teo koa ny fanalefahana ny fandoavana ny haban-tsena ho azy ireo.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: