Notafihin’ny olon-dratsy ny tokantranona mpanao biriky iray teny amin’ny fokontany Mahitsy, kaominina ambanivohitr’ Alasora, ny alin’ny zoma 28 aogositra 2026 hifoha afakomaly. Vao nahalafo biriky ireo mpivady tao amin’io tokantrano io ka notongavan’ny jiolahy. Niditra an-keriny tao an-trano ireo olon-dratsy, nitaky ny vola rehetra tao an-trano. Mbola notsindrominy tamin’ny antsy ireo mpivady ka naratra mafy. Maty tsy tra-drano vokatry ny ratra nahazo azy ilay renim-pianakaviana raha toa ka naratra mafy rangahy vadiny. Lasa nitsoaka izy ireo rehefa voaroba ny vola 2 tapitrisa Ariary izay vidina biriky. Niantso vonjy tamin’ny manodidina ny lasibatra vantany vao lasa ireo jiolahy. Nitangorona ny fokonolona, teo koa ny mpitandro filaminana, rehefa naheno ny vaovao. Nentina notsaboina haingana teny amin’ny hopitaly ilay raim-pianakaviana ary tsy misy atahorana ny ainy. Tsy mbola misy tratra ireo olon-dratsy. Efa manohy sy misahana ny fanadihadiana ny zandarimariam-pirenena avy amin’ny tobim-paritra Alasora.
Mino




