Natao tao Vatomandry ny atrikasa famolavolana ny fanatsarana ireo fitaovana hanangonana antontanisa sy antontan-kevitry ny asa rehetra natao hiadiana amin’ny tazomoka eto Madagasikara. Nofaritana ireo fanatsarana hirosoana amin’ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Tanjona ny hananana loharanom-baovao tokana iraisan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny ady atao.
Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra ny fampidirana ny taranja fanabeazana ho olom-pirenena vanona ao anatin’ny rafitry ny fanofanana arakasa. Hamolavolana ireo tanora ho olona afaka misehatra amin’ny asa avy hatrany sady manana ny fahendrena sy fitondran-tena mendrika eny anivon’ny orinasa iseharana.
Nanolotra fiara tsy mataho-dalana miisa roa ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny governemanta amerikanina. Natao ho fampandehanan-draharaha eo amin’ny minisitera foibe ny fiara. Dingana ihany koa amin’ny fampahaleovantena ny rafi-pahasalamana tantanin’ny fanjakana izany.




