Misokatra ny fifaninanana hidirana amin’ny taona voalohany ao amin’ny Institut national de promotion formation Ivato. Lalam-piofanana maro no hita
amin’izany, toy ny : Mécanique automobile, Génie mécanique et Maintenance industrielle, Génie frigorifique, Électrotechnique ; Électronique et informatique industrielle, Finances et comptabilité, Informatique de gestion sy Informatique, Maintenance et Réseaux. Ny 28 hatramin’ny 30 septambra 2026 izao ny datin’ny fifaninanana.
Manolotra ny “Science Hack Day 2026”, andiany faha-11, ny Centre d’information et de documentation scientifique et technique (CIDST) sy ny UniPod. Hotanterahina ny 25, 26 ary 27 septambra ho avy izao, ao amin’ny CIDST Tsimbazaza ny hetsika. Sehatra ho an’ireo mpianatra, mpikaroka, mpampianatra, mpamorona rindranasa, mpandrafitra endrika niomerika ary ireo liana amin’ny fanavaozana sy ny
teknolojia. Hanehoany ny fahaiza-mamorona sy ny talentany. Mandritra ny 48 ora tsy ankiato, hamolavola tetikasa vaovao sy vahaolana mivaingana azo hampiharina, mampiasa ny teknolojia niomerika ho tombontsoan’ny fiarahamonina, ireo mpandray anjara. Fahasalamana, fanabeazana ary fampandrosoana
ara-tsosialy ny lohahevitra ifotorana. Azo atao amin’ny alalan’ny rohy bit.ly/shd2026 ny fisoratana anarana izay hifarana ny 20 septambra ho avy izao.




