Norombahin’ny ekipam-pirenena malagasy, nisy an’i Bondy sy i Balôty ary i Lova, ny andiany faha-47 “National Open Top 1000 de Chalon sur Saone”, taranja tsipy kanetibe. Fihaonana notanterahina tany France, ny alahady lasa teo. Resin’izy ireo teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 9, ny ekipan’i Laleuf.
Hanomboka rahampitso, any Chuncheon, Korea Atsimo, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny fihetsika mirindra “poomsae”, taranja tae-kwon-do WT. Anisan’ireo handray anjara amin’izany Randriamiandrisoa Nicolas. Faninenina amin’izao no hiakarany sehatra sy hiarovany ny voninahitr’i Madagasikara.
Handray anjara amin’ny andiany faha-46 “Olympiade” amin’ny taranja Echec i Madagasikara. Fihaonana tanterahina any Samarcande, Ouzbékistan, manomboka anio, 15 ka hatramin’ny 27 septambra ho avy izao. Fifaninanana roa no hatrehin’ny Malagasy dia ny eo amin’ny “open” sy ny sokajy vehivavy.




