Voaroba ny bisikIleta : Lehilahy nisy namono hita faty

Novonoin’ny tsy mataho-tody, namoy ny ainy, ny raim-pianakaviana iray 39 taona tao amin’ny fokontany Begavo, kaominina Feramanga Avaratra, distraka Ambatondrazaka, ny alin’ny alahady 20 septambra teo. Mivelona amin’ny asa fitaterana olona na entana amin’ny alalan’ny taxi-bisikileta ity lehilahy ity, araka ny loharanom-baovao. Tsy nody an-trano nandritra ny alina izy. Nikaroka azy ny fianakaviany manoloana ny tranga tsy fandriampahalemana tato ho ato. Hitan’ny olon-tsotra nitsirara tamin’ny tany tao anatin’io fokontany misy ny trano fonenany io ihany anefa ilay lehilahy. Tsy nisy aina intsony izy. Naratra teo amin’ny faritry ny taolam-bazany, araka ny fizahan’ny mpitsabo azy. Ahina ho novonoin’olona izy. Nahitan’ny mpanao fanadihadiana dian-drangotra teo amin’ny manodidina ny toerana nahitana azy. Tsy hita intsony ny bisikileta izay fampiasan’ity lehilahy lasibatra ity. Niroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Tsiahivina fa vao herinandro lasa, mpitondra taxi-moto iray lasibatry ny olon-dratsy tao Ambatondrazaka. Very ny moto ary naiditra hopitaly taorian’ny ratra nahazo azy ilay mpitondra moto.

Tsiferana R.

Partager sur: