Lavon’ny balan’ny zandary avy amin’ny vondron-tobim-paritra Mampikony, omaly, i Jackson sy Voay Be. Dahalo nampahory ny vahoakan’i Mampikony sy Boriziny tao anatin’ny 20 taona i Jackson. Sady mangalatra omby no maka olona an-keriny, manao fanafihana sy ny maro hafa. Mifehy dahalo maro kosa i Voay Be.
Zazalahy 13 taona maty daroka, tany Sotema, vakim-paritra fahatelo, Mahajanga, ny 1 oktobra 2026 lasa teo. Raha ny fantatra, nisy nanondro molotra sy nanendrikendrika fa nangalatra vorona izy. Tezitra ny tompom-borona ka nidaroka sy namono azy. Naratra mafy teo amin’ny lohany sy ny masony izy. Namoy ny ainy rehefa notsaboina andro maromaro. Nitory ny fianakaviany ary efa misokatra ny fanadihadiana.
Olona enina voarohirohy tamin’ny halatra taolam-paty tany Fenoarivobe voasambotry ny polisin’ny Bongolava, ny alatsinainy teo. Hita teny amin’izy ireo ny taolam-paty milanja 50 kg. Mahatratra 500 kg ny fitambaran’ireo taolam-paty nokasaina hamidy. Mbola mitohy ny fikarohana ny namany hafa.





