Fantina sy fintina

Mety ho fantatra amin’ity herinandro ity ny fanamarihana ny 14 oktobra. Miainga amin’ny fanapahan’ny filankevitry ny governemanta ny didim-panjakana momba izany mba ho andro tsy iasana. Eo koa ireo fampahafantarana ireo hetsika hanamarihina izany faha-68 taona nijoroan’ny Repoblika izany, manerana ny Nosy.
Tsy ny filohan’ny Fanavaozana no haniraka ny fanagadrana etsy sy eroa, araka ny fanehoan-kevitry ny depiote, Randrianasolo Nicolas, omaly. Nambarany fa misy ireo manararaotra manao valifaty politika rehefa nomena fahefana. « Tanjona ve ny fanovana ? Manimba izany eo amin’ny politika. Hafa indray raha tena misy porofo… », hoy izy.
Efa mandravona ho fehinkevitra ireo tolo-kevitra noraisin’ny filoham-panjakana teny Iavoloha, ny volana septambra teo, ny teknisianina eny Iavoloha. Namba­ran’ny loharanom-baovao fa maro ireo sosokevitra mitovy. « Eo koa anefa ireo andininy samihafa mbola ilana fandinihana miandalana ny hamadihana azy ho fehinkevitra ».
Hatao any Nosy Be ny fivorian’ny Sadc eo anivon’ny komity miady amin’ny famotsiam-bola sy ny fampihorohoroana. Hanomboka ny 25 hatramin’ny 27 no­vambara izao izany andiany fahenina izany. Anisan’ny fampitana am-bava tamin’ny filankevitry ny minisitra, teny Iavoloha, afakomaly, izany.

Partager sur: