TSELATRA

Voasambotry ny polisy ny jiolahy nangalatra moto tao Miadana, kaominina Alasora, afakomaly. Nan­dositra tany Antsirabe izy taorian’io. Nanao fanarahan-dia ny mpitandro filaminana ka tratra ity mpangalatra ity.
Notanana vonjimaika any am-ponja, afako­maly, ireo roa lahy sarona nanao asa fanendahana teny Ambohitrarahaba. Vehivavy miisa roa nendahin’ireo olon-dratsy. Nifanena tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana tao an-tsena izy ireo ka voasambotra, ny alahady 11 oktobra lasa teo.
Voatoraka antsibe ny fiara iray teo anelanelan’i Mantalimaro sy Anjavimilay, RN5A, omaly maraina. Nikendry ny mpamily ireo olon-dratsy saingy tsy nahavoa azy. Velon-taraina manoloana ny asan-jiolahy
amin’io lalam-pirenena io ireo mponina.
Olona telo naratra nandritra ny fifandonana moto sy fiara mpitatitra iray teny amin’ny RN7, teo amin’ny PK119, tao Andranovory, fokontany Andava­bato, kaomi­nina Soamanandrariny, distrika Antanifotsy, ny alatsinainy 12 oktobra teo. Nisongona Sprinter teo alohany ity moto ity kanjo nifatratra tamin’ilay fiara Mazda.

Partager sur: