TSELATRA

Tsena mitafo bozaka maro may tao Antani­mary, kaominina Ambanivohitra Ambatomivary, disitrikan’i Betroka, omaly atoandro. Niara-nisalahy namono ny afo ny fokonolona sy ny tomponandraikitra any an-toerana. Efa manokatra ny fanadihadiana ahafantarana ny anton’ny fahamaizana ny mpitandro filaminana.
Nirotsaka an-dalambe nampianatra lalàna mifehy ny fifamoivoizana ho an’ireo mpamily Taxi-Ville sy Taxi-moto ao Ambilobe ny Zandarimaria, omaly. Tanjo­na ny hisorohana ny lozam-pifamoivoizana mateti-piseho. Etsy ankilany, hampiharina ny sazy ho an’ireo fiara tsy manara-dalàna. Voakasik’izany ny eny amin’ny lalam-pirenena faharoa. Hojerena manokana ny hafainganam-pandeha.
Efa manao ny fikarohana ilay jiolahy nitifitra lehilahy nividy entana tao amin’ny tsenan’Anosibe, afakomaly, ny mpitandro filaminana. Voarakitra anatin’ny horonantsary tamin’ny Camera de surveillance ny endriny. Fantatra fa ilay jiolahy nitifitra polisy teny amin’ny tranodimy Anosipatrana io olon-dratsy io.

Partager sur: