Fiara efatra nifandona : Olona efatra namoy ny ainy tetsy Andranotapahina

Tra-doza tetsy amin’ny lalana Andranotapahana hihazo an’Ivato, ny fiara miisa efatra, omaly atoandro. Nifanenjika ny fiara tsy mataho-dalana roa, nisongona ny iray tamin’izy ireo ka nifatratra tamin’ny fiara roa nifanena taminy. Niara-maty vokatr’izany ny olona efatra. Olona roa hafa naratra mafy.

Fiara miisa efatra no ni­fandona tetsy Ando­harano, amin’ny lalana mampitohy an’Andranota­pahana sy ny Rond point Don Bosco, omaly atoandro, to­kony ho tamin’ny 1 ora sy 19 minitra tany ho any. Fiara roa, marika Toyota Pick-up samy miloko fotsy, avy any Andra­no­tapahana hihazo an’Ivato, ireo fiara tsy mataho-dalana. Ni­fan­dona sy nifatratra tamin’ ny fiara Peugeot 405 sy express iray izay nifanoha-dalana taminy. Avy any Ivato kosa ireto farany. Noho ny hamafin’ny fifandonana, potika tanteraka ireo fiara tra-doza. An­koatra izany, olona miisa efatra namoy ny ainy. Mpa­mily sy vehivavy roa mpan­deha tao anatin’ilay fiara Peugeot ireo niara-maty ireo, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisy sy ny zandary izay tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza. Nentina avy ha­trany teny amin’ny hopitaly Lote­ranina Ambohibao ny olona iray fahefatra tao anatin’ny fiara, taorian’ny loza. Tsy tana anefa ny ainy fotoana fohy taorian’izay, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandary eny Talatamaty.
Ankoatra izany, olona roa izay nahitana renim-pianakaviana 66 taona sy olona iray hafa no naratra mafy nandritra ny loza. Tao anatin’ilay fiara express nifanena tamin’ilay 4*4 nisongona izy mianaka ireo, raha ny fanazavana voaray hatrany. Efa manaraka fi­tsaboana izy ireo amin’izao fotoana izao.

Nifanenjika
“Nandeha mafy sady nifanenjika ny fiara Toyota miisa roa. Izay teratany vahiny no nitondra ny iray tamin’izany”, hoy ireo nanatri-maso. Nison­gona ny iray, saingy nifanena tampoka tamin’ny fiara express. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitandro filaminana, samy naratra avokoa ireo olona roa tao anatin’ io fiara io. Tsy nahatana familiana ny mpamilin’ny fiara nisongona ka nifatratra teo ambonin’ilay fiara Peugeot, nahatonga ity loza mahatsiravina ity, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitandro filaminana hatrany. Taorian’ ny tranga, notanana natao an­drimaso eny amin’ny biraon’ny zandary ilay mpamilin’ny fiara tsy mataho-dalana, nihavian’ ny loza. Entanina hatrany ny mpamily mba hanaja ny ha­fainganam-pandeha sy tsy hisongona raha mbola tsy ampy ny fahitana, mba hisorohana ny lozam-pifamoivoi­zana tahaka izao. Efa misokatra ny fanadihadiana izay iandraiketan’ny zandarimariam-pire­nena avy ao amin’ny tobim-paritra Talatamaty.

Mino

Partager sur: