TSELATRA

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ireo roa lahy tratra nibata vy halatra tao amin’ny kaominina Ala­sora, omaly. Nendahin’izy ireo tamin’ny tranon’olona ireo vy fiarovana teo amin’ny varavarana. Nentina natao famotorana izy roa lahy.
Lehilahy nahatrarana basy tsy ara-dalàna tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ny alarobia 15 oktobra lasa teo. Nogiazan’ny mpitandro filaminana ny fitaovam-piadiana teny amin’ity tovolahy ity ary nentina natao fanadihadiana eny anivon’ny kaomisaria Avaradrano izy.
Notazomina vonjimaika any am-ponja ny leh­lahy iray nangalatra ordinatera tao Ankorondrano, afakomaly. Saron’ny fokonolona ity mpanao ratsy ity ka nifanenjehan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana sy ny polisy miasa eo anivon’ny PPA2 Ankorondrano.
Mpianatra roa naratra vokatry ny fifampitora­hana vato nataon’ireo samy mpianatra tao amin’ny Oniversite Antsiranana, omaly. Tsy mitovy hevitra manoloana ny fizarana ny trano vaovao natokana ho azy ireo mpianatra, araka ny loharanom-baovao.

Partager sur: