Ady amin’ny kolikoly… Hampiasa ny rindram-baiko IA ny fitsarana

Nikarakara atrikasa momba ny Faharanitan-tsaina artifisialy (IA) ny eo anivon’ny Filankevi-panjakana. Tafiditra amin’­ ny fanatsarana ny fomba fiasa eo anivon’ny fitsarana izany.

Nampahafantarina tamin’izao atrikasa izao ny rindrambaiko mpana­fina anarana « Anonymiseur » novolavolain’ny Filankevi-panjakana. Nambaran’izy ireo fa azon’ny mpitsara rehetra hampiasaina izany. Noforo­nina ary tsy nandaniam-bola avy amin’ny fanjakana ity fitaovana ity. « Natao hanafenana ho azy ny angondrakitra  manokana mom­ba ireo olona voakasiky ny raharaha ara-pitsarana, mialoha ny hampiasana IA. Mifanaraka amin’ny lalàna momba ny fiarovana ny an­gon­drakitra ma­nokana », hoy izy ireo.
Anisan’ny dingana voalohany amin’ny fanofanana ireo mpitsara amin’ny fampiasana ny IA amim-pitandremana sy araka ny etika izany ary iarahan’ny Filankevi-panjakana sy ny Sekolim-pirenena mpampiofana mpitsara sy mpiraki-draharaha (ENMG).

Nanafatrafatra ny minisitra

Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, fa afaka manampy amin’ny fanafainganana ny asa sy fanatsarana ny kalitaon’ny didim-pitsarana io rindram­baiko IA io. Nanafatrafatra koa anefa ny tenany momba ity fitaovana ity. « Tafiditra amin’ ny fanamafisana ny mangarahara sy ny ady amin’ny koli­koly koa ny fampiasana azy raha atao amim-pahendrena. Ao anatin’izany ny fanajana ny lalàna sy ny etika maha mpitsara », hoy izy.
Nohamafisiny fa tanjona amin’ny hoavy ny fampiroboroboana ny IA mizaka tena, mifototra amin’ny lalàna sy ny zava-misy eto amintsika, ho fanohanana ny fanavaozana sy ny fanatsarana hatrany ny asam-pitsarana.
Tsiahivina fa nanomboka afakomaly ary nifarana omaly ny atrikasa fampahafantarana ny rindrambaiko IA.

Synèse R.

Partager sur: