Kolonely Randrianirina Michaël : Feno herintaona, anio, ny fianianana nataony

Nampanantena vahaolana sosialy ny filoham-panjakana tamin’ny lahateniny tetsy amin’­ny Lapan’ny HCC, Am­bohi­dahy ny 17 oktobra 2025. Notanterahina tamin’io fo­toana io ny lanonam-pitsarana ma­­netriketrika nandraisana ny fianianan’i Kolonely Randria­nirina Michaël, izay tendry ho filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, araka ny didy navoakan’ny HCC ny 14 oktobra 2025. Ni­ta­rika izany ireo mpitsara avo, ireo manamboninahitra sivily miaramila, ireo tomponandraikitra ambony maro. Teo koa ireo Raiamandreny ara-panahy sy ara-drazana sy ireo masoivoho maro miasa sy monina eto Madagasikara. Manampy izany ireo solontenan’ireo tanora nandray an­jara tamin’ny tolona. Nison­gadina nandritra ity fotoana ity ireo andraikitra sy fanamby lehibe miandry ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika. Mitaky fahitsiana sy fahaiza-manao matihanina amin’ny famolavolana ny firenena ao anatin’ny fitondrana tan-
dalàna, araka ny nambarany. “Laharam-pahamehana ny hitondrana vahaolana hain­gana sy maharitra ka hivoa­hana amin’izao fahasarotana ara-tsosialy sy ara-toekarena sy hamaliana ny hetaheta eny ifotony”, hoy izy. Niantso ny rehetra hifanome tanana sy hifanohana ihany koa mba hanatrarana miaraka izany tanjona lehibe izany ny te­nany.

Synese R.

Partager sur: