FANTINA sy FINTINA

Maherin’ny fito tapitrisa, hatreto, ireo voaso­ratra anarana anaty lisi-pifidianana, araka ny tatitry ny Ceni, omaly. Tamin’ny alalan’ny fitsidihana tokantrano ny 93,23% tamin’izany. Maro anisa ny vehiavavy, nahatratra 51,19%, raha 48,81% kosa ny lehilahy. Ny sokajin-taona 36 ka hatramin’ny 60 taona no betsaka indrindra: 43%.

Ohatra ho an’ireo mpitondra firenena Rainan­driamampandry, araka ny nambaran’ny mpahay tan­tara, Ranjatohery Harilala. Nomarihina afakomaly ny faha-130 taona nitifirana azy tao Antsahamanitra. « Mpanao politika tia tanindrazana, mpitondra ary jeneraly tao amin’ ny Tafika fony faha mpanjaka ny tenany. Nohelohin’ny frantsay ho mpikomy izy », hoy izy.

Hitohy any Amoron’i Mania, ao Ambositra indray, ny fikaonandoham-paritry ny MMM. Anisan’ny hifampizarana amin’ireo mpikatroka ny hametrahana ny faritra mahazaka tena. Eo koa ny tokony hanadiovana ny tokotanim-pifidianana sy ny fanovana ny rafitry ny Ceni. Tsiahivina fa hitarika izany any an-toerana ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo.

Partager sur: