Fanamafisana ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Rosia, fisarihana mpampiasa vola hampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra. Eo koa ny hananganana fiaraha-miombon’antoka vaovao amin’ny sehatry ny angovo sy ny teknolojia ary ny fotodrafitrasa. Ireo no anisan’ny andrandrain’i Madagasikara amin’ny fiatrehan’ny delegesionina malagasy, tarihin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, ny fihaonana an-tampony fahatelo eo amin’i Rosia sy i Afrika. Fihaonana atao any Moscou, Rosia, hanomboka anio ary hifarana rahampitso.
9 000 any ho any ireo mpandray anjara, ahitana mpitondra fanjakana, mpampiasa vola, mpandraharaha, teknisianina, mpikaroka, mpahay siansa… Mahatratra 50 mahery ireo dinika sy adihevitra hatao. Hitarika ny fotoana ny filohan’i Rosia, Vladimir Poutine, sy ny filohan’ny Vondrona afrikanina, ny filohan’i Burundi, i Évariste Ndayishimiye. Tanjona ny hampivelarana ny fiaraha-miombon’antoka ara-toekarena. Eo koa ny fifanakalozana ara-barotra, ny fampiasam-bola, ny diplaomasia, ny haitao, ny fampiasana ny angovo nokleary… ho amin’ny fampandrosoana. Eo koa ny fiovana mankany amin’ny niomerika, ny fahavitan-tena ara-tsakafo eo amin’i Rosia sy i Afrika. Hisy ny fanombanana ny asa vita taorian’ny fihaonana tamin’ny 2023. Eo koa ny famaritana vina sy tondrozotra vaovao ho an’ny taona 2027-2029.
Ho an’i Madagasikara manokana, azo lazaina fa mandroso ny fiaraha-miasa eo amin’i Rosia sy i Madagasikara amin’izao fitondrana Fanavaozana izao, indrindra taorian’ny fitsidihana tamin’ny fomba ofisialy nataon’ny filohan’ny Fanavaozana an’i Rosia, tamin’ny febroary lasa teo.
R. Nd.





