Latsaka tany anaty hantsana tao Manjakavaradrano, ny fiara tsy mataho-dalana iray, ny alin’ny talata teo. Maty tsy tra-drano, noho izany, ny lehilahy iray izay nitondra ny fiara. Naratra mafy ny olona iray hafa. Raha ny fanazavana voaray, an-dalana handeha hamangy ny reniny sy ny zandriny lahy any am-ponja izy ireo tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ ny lalam-pirenena fahefatra, ny talata 27 oktobra 2026. Fiara tsy mataho-dalana iray miloko gris noir no niharan-doza teo Manjakavaradrano, kaominina ambanivohitra Mahatsinjo, distrikan’i Maevatanàna, tokony ho tamin’ny
1 ora maraina tany ho any. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandary miandraikitra ny fanadihadiana any an-toerana, nandeha mafy ny fiara izay nitondra olona miisa efatra. Tsy nahatana familiana ny mpamily ka nivarina tany anaty hantsana izay akaiky fiolahana izy ireo ary tsy nijanona raha tsy tany amin’ny 150 metatra miala ny arabe. Vokany, lehilahy iray 38 taona izay nitondra ny fiara no maty tsy tra-drano. Vehivavy iray nipetraka teo amin’ny seza aloha ihany koa naratra mafy noho ny dona mafy nahazo azy. Fantatra fa tapaka ny tongony sy ny tanany. Ankoatra izay, nahitana ratra kely fotsiny ireo lehilahy roa hafa nandeha tao anaty fiara, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ny zandarimariam-pirenena ao Maevatanàna, nanao ny fanadihadiana rehetra. Efa manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly CHRR Maevatanàna izy ireo.
Hamangy ny reniny any am-ponja
Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary fa zanaky ny solombavambahoaka voafidy tany Mahajanga teo aloha, Rahantanirina Lalao, antsoina hoe: Nina, ity namoy ny ainy ity. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ ny fianakavian’ny maty, avy aty Antananarivo ireo niharan-doza ary nikasa hihazo an’i Maevatanàna no izao tra-doza izao. An-dalana handeha hamangy ny reniny sy ny zandriny izay mamita sazy ao amin’ ny fonjan’i Maevatanàna izy tamin’io fotoana io. Araka ny loharanom-baovao hatrany, nahazo fahafahana nivoaka vonjimaika ny fonja io depiote teo aloha io, mba hanotrona sy hikarakara ny vata-mangatsiakan’ny zanany.
Mino





