Hita faty teo akaikin’ny fefy iray eny Ambatobe ny vehivavy iray tokony ho 39 taona, ny alahady 25 oktobra 2026 lasa teo, tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro. Nahita azy tsy nihetsika intsony ny olona sy ny mponina nandalo teny amin’ny manodidina ka nampandre ny tomponandraikitra avy hatrany. Taorian’ny antso, tonga teny an-toerana nizaha ny razana sy nanao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Hita nandry tsy mihetsika teo akaikin’ny fefy ilay vehivavy, tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo teny an-toerana. Nahitana ratra sy ra be teo amin’ny lohany. Ahina ho nianjera avy eny ambony fefy izy ka nidona mafy tamin’ny tany, antony nahatonga ny ratra teo amin’ny lohany, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo tonga teny an-toerana. Ankoatra izay, voalazan’ny fianakaviany fa manana aretina androbe ity vehivavy ity ary mihetsika matetika izany. Nifamaly tamin’ny vadiny ihany koa izy ny alina talohan’io fotoana nahitana azy maty io, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Taorian’ny tranga, nentina nanaovana fizahana teny amin’ny tranom-paty HJRA Ampefiloha ny razana, mba hahafantarana ny tena antony nahatonga ny fahafatesany. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana mahakasika ity raharaha ity. Efa misy ny fakana am-bavany ireo olona nanatri-maso sy ny fianakavian’ny maty.
Mino





