Maty voatifitry ny polisy avy ao amin’ny sampam-pikarohana heloka bevava (BC)
sy Sag ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana, teny amin’ny fokontany Manarintsoa, boriborintany voalohany, ny alin’ny talata 28 oktobra teo. Mpiray tsikombakomba tamin’i Kelindaty, ilay jiolahy nitifitra ka nahafaty mpandraharaha iray teny amin’ny tsenan’Anosibe ity lavo ity. Mpiara-manao fanafihana mampiasa fitaovam-piadiana an-dry Kelindaty sy ny namany izy, araka ny loharanom-baovao avy tamin’ny polisim-pirenena. Nakarina natao fanadihadiana teto Antananarivo i Kelindaty rehefa voasambotra tany Betroka, ny herinandro lasa teo. Natao famotorana izy ka nitoroka ny namany. Nidina ifotony tamin’ny toerana misy ireo olon-dratsy hafa karohina ny polisy. Voasambotra ny lehilahy iray ary nahatrarana basy teny aminy. Mpamatsy fitaovam-piadiana ity tratra ity. Lehilahy iray hafa voalaza ho nihazona basy marika Makarov nisitrika tao Manarintsoa. Miovaova trano fonenana io jiolahy io ka nitady azy ny ekipan’ny polisim-pirenena nanomboka ny alatsinainy 27 oktobra teo. Nanoro ny toerana misy ny namany ilay jiolahy mpamatsy basy, izay efa voasambotra. Nipoitra ilay olon-dratsy nokarohina, ny alin’io talata io, tamin’ny 10 ora. Nanapoaka basy avy hatrany izy. Nanararaotra nandositra ilay jiolahy nitari-dalana ka lavon’ ny bala. Latsaka teny an’elakelan-trano ilay basy Makarov. Nogiazana niaraka tamin’ ny bala. Naterina eny anivon’ ny tranom-paty ny nofo mangatsiakan’ilay jiolahy namoy ny ainy.
Tsiferana R.





