Fitsarana miady amin’ny kolikoly : Afaka mitsara ny ekipan-dRajoelina Andry

Nivoaka omaly ny fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) mahakasika ny fitsarana ireo mpitondra ambony teo aloha. Azon’ny Pac tsaraina izy ireo.

Azo tsaraina eny anivon’ ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (Pac) ireo mpitondra ambony teo aloha, araka ny fanapa­hana laharana faha-03-HCC/D2 navoakan’ny Fitsa­rana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), omaly. Noho ny raharaha kolikoly na heloka mifandraika amin’izany ny votoatiny. Namoaka didy sa­varavina nampiato ny famoahana didy ny Pac Antana­narivo, ny 21 oktobra, taorian’ ny fitorian’ny Diréction de la législation et du contentieux (DLC) fa tsy mahefa hitsara ireo raharaha izy ireo. Miandry ny didin’ny HCC izany. Izay mahakasika ireo olona nitana andraikitra ambony teto amin’ ny firenena voarohirohy ta­mina fandikan-dalàna izany. Toy ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, famotsiam-bola, fanaovana hosoka amin’ny sora-panjakana…
Voarohirohy tamin’ny raha­­raha fanodinkodinana vola­mena 36 kg, tamin’ny 2019-2020, ohatra, ny Prai­minisitra teo aloha, i Ntsay Christian, sady nisolo toerana ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny angovo. Eo koa ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika teo aloha, Ravokatra Fidiniavo; ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana teo aloha, Imbiky Herilaza. Nisy ny raharaha momba ny tsenambaro-panjakana sy fanodinkodinana volam-panjakana nahavoarohirohy ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Teo koa ny Praiminisitra teo aloha, i Ntsay Christian sy ny minisitra teo aloha, Sahondra­ri­malala Marie Michèle, momba ny tsenambaro-panjakana dabilio. Eo koa ny raharaha momba ny “Fonds souverain malagasy” nahavoarohirohy ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, sy ny Prai­minisitra teo aloha, i Ntsay Christian, ary ny minisitry ny Toekarena sy fitantanam-bola teo aloha, Rabari­nirinason Rindra Hasimbelo. Fandikan-dalàna tamin’ny taona 2022-2025, araka ny tatitry ny fitsarana momba ny kaonty, marsa 2026.

R. Nd.

Partager sur: