“Na maro aza ny fanakorontanana sy fanakantsakanana mahazo an’i Madagasikara amin’izao fiaraha-miasa amin’i Rosia izao, vonona izahay ny hampiroborobo izany fiaraha-miasa izany rehefa tsapanay fa misy tombony ho an’ny vahoaka malagasy sy mitondra ainga vao ho an’ny toekaren’ny firenena malagasy”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ ny fanaovan-tsonia fifanekem-piaraha-miasa eo amin’ny vondrona rosianina Eurasia, tarihin’i Boris Tchernyhov, tany Mascou, Rosia. Talohan’ ny fihaonana an-tampony fahatelo Rosia-Afrika, nanomboka omaly ary hifarana anio no nanatanterahina izany. Mifototra amin’ny fitovian-jo sy ny tombontsoa iombonana eo amin’ny lafiny maha olona iraisam-pirenena sy ny fanabeazana ary ny fikarohana ara-tsiansa ny fifanarahana. Eo koa ny fampivelarana ny maha olona, indrindra ny fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny teny rosianina.
Mahatratra 10 tapitrisa dolara àry ny famatsiam-bola hanatanterahana izany. Ao anatiny ny sehatry ny asa sosialy sy ny fanofanana tanora, ny hampitomboana ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra. Mahatratra efatra hetsy ny teratany vahiny mpianatra any Rosia, nefa vitsy ny Malagasy. Hohamafisina koa ny fiaraha-miasa eo amin’ ny Tafika rosianina sy ny Tafika malagasy. Voaresaka tamin’izany koa ny fanamorana sy fiarovana ny fivezivezen’ny vola. Araka ny fanazavan’ny mpanolotsain’ny filoha rosianina, Iouri Ouchakov, fihaonana manokana 24 no heverin’ny filoha Vladimir Poutine hatao amin’izao fihaonana an-tampony Rosia-Afrika izao. Anisan’ny tafiditra amin’ny fanaovana adihevitra ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. 48 ireo firenena nandefa solontena, ka filoham-panjakana ny 22
amin’izy ireo.
R. Nd.





