Ny fikaonandoha ihany no fakana ny hevitry ny vahoaka faratampony, araka ny nambaran’ny mpandrindra nasionalin’ny Komity miaro ny tolona (KMT), Rakotomavo Lanto. «Mbola betsaka ny tokony hahitsy sy hotanterahina, amin’izao herintaon’ny tolona izao. Misy ny tsy tokony hiverina intsony raha handeha amin’ny fanavaozana isika», hoy izy.
Nanolotra ny paikady hiadiana amin’ny kolikoly, teny amin’ny Bianco, ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Rafaralahy Lily, omaly. Nambarany fa tafiditra amin’ny toromarika nomen’ny filohan’ ny Fanavaozana ny Repoblika ny amin’ny tsy maintsy hampisehoan’ireo minisitera tsirairay avy ny fandaharanasany izany.
Vonona hiara-hiasa amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, hiady amin’ny fisolokiana ana habaka, i Etazonia, araka ny nambaran’ny mpiandraiki-draharaha, Tom Bevan, raha nihaona tamin’ny minisitra Fanirisoa Ernaivo, omaly. «Zava-dehibe izany ho an’ny tombontsoa iraisana. Tsy vitan’ny firenena iray ny manafoana ny heloka ana habaka», hoy ny minisitra.
Miisa 60 izao ny fitambaran’ny fitsidihana ivelan’Analamanga nataon’ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, hatramin’ny nitantanany ny firenena. Miisa 42 amin’izany ny teto Madagasikara, raha 18 kosa ny fivahinianana tany ivelany.





