Mitohy ny dia ho an’ny Barea zandriny. Nahintsan’izy ireo teo amin’ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, “Fifa World Cup Festival U15”, i Ouzbékistan, rehefa nandresy an’i Irak, teo amin’ny ampa-16 dalana.
Tafita hiatrika ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja baolina kitra, “Fifa World Cup Festival U15”, ho an’ ny vondrona “B”, ny Barean’i Madagasikara, sokajy zandriny, omaly, tany Azerbaidjan. Raha hiverenana ny dian’ ny ekipam-pirenena malagasy, lavon’izy ireo, tamin’ny isa 2 no ho 1, teo amin’ny dingan’ny ampaha-16dalana, ny ekipa nasionalin’i Iraka. Marihina fa efa nitarika tamin’ny isa 1 no ho 0, i Iraka, no nanenjika ny isa ry Francisco sy ry Mendrika. Nivadika ho fandresena ho an’ny Malagasy izany.
Tao anatin’ny ampahavalon-dalana indray, azo lazaina ho namiratra tanteraka ny mpilalaon’ny Coah Yvon sy Naval, satria, nomontsanin’izy ireo 4 no ho 1, i Ouzbekistan. Nanao fampisehoana tamin’ ireo lalao roa ireo mihitsy i Mendrika sy Francisco na i Dembele kely, ary i Tiavo sy i Toky. Hatreto, i Francisco no mpilalao nampiditra baolina betsaka indrindra ho an’ny Malagasy, omaly. Miisa telo izany.
Raha ny fikarohana natao, hatao anio, ny ampahefa-dalana sy ny manasa-dalan’ny fifanintsanana. Ampahafantarina fa hifarana ny zoma ho avy izao ity fifaninanana “Fifa Festival U15” ity. Azo lazaina ho efa tafapetraka izany ny politika ho an’ny hoavy, nataon’ny rafitra federaly malagasy. Tsara marihina fa anisan’ny angady nananana sy vy nahitana an’izao lalao iraisam-pirenena izao ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred.
Fitia Randria





