Boxe Française Savate : Mbola lany ho filohan’ny Federasionina i Nakolo

Notontosaina tetsy amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny talata teo, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federation malagasy de boxe française savate. Mbola lany hitantana izany indray Ralison Nakolo. Nahazo vato valo tamin’ireo ligim-paritra 11 nifidy ny tenany. Telo kosa ny an-dRandriamiarison Sedima­nana, nifaninana taminy. Tsy nisy ny vato maty sy ny vato fotsy. Nambaran’ny filoha voafidy fa tsy nanome vola na nividy ireo mpifidy ny tenany fa nalalaka tamin’ny safidiny ny rehetra. Ankoatra izany, hanamboatra ny sata mifehy ny fifidianana eo anivon’ny federasionina izy ka ho taom-piasana roa ihany fa tsy mihoatra izany. Ny tenany manokana izay efa nilaza fa ity no farany hanaovany izany ka mba ho arahin’izay rehetra ho avy eo. Hanomezana se­hatra ny tanora. Ankoatra izany, hanavao ireo mpikambana ny tenany. Hampahafan­tarina, anio, izany. Ezahiny ihany koa ny hisian’ny mangarahara amin’ny fifantenana ireo atleta hiaro ny voninahi-pirenena. Ezahin’ity federasionina ity ny hamerina ny lazan’ ny boxe savate française ma­lagasy.
Nohamafisin’ny Coach Randrianasolo Joseph koa fa aoka izay mendrika no hiatrika ireo fifaninanana iraisam-pirenena. Naneho ny fahavono­nany ny tenany ny hanome tanana amin’ny lafiny maro raha ilaina hahazoana vokatra ho an’ireo atleta.

Tompondaka

Partager sur: