SOMBIM-BAOVAO

Nisongadina indray ny ekipan’Analamanga, Disciples FC Espoir, sy ny GNFC Vakinankaratra, omaly, tetsy Betongolo. Ny Disciples izay nandavo ny Black Star, tamin’ny isa, 5 no ho 1. Ny GNFC kosa nandresy ny AFCA, 4 no ho 1. Marihina fa tsy mbola resy mihitsy ny ekipan’ny GNFC, raha toa ka efa lavo indray mandeha ny Disciples FC Espoir.

Hotontosaina any Fianarantsoa, ny 4-6 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja haiady Taekwondo WT. Raha ny
fantatra, mandritra io fifanintsanana io no hitiliana ireo mpikatroka hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny lalaon’ ny Nosy “JIOI 2027”.

Araka ny fikarohana natao, nanapa-kevitra ny firenen’i Chine fa tsy handefa ny lalaon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne “La Liga” amin’ny haino aman-jery intsony ao aminy noho ny fanambarana navoakan’ilay Frantsay mpilalao, Kylian Mbappé, mahakasika an’i Chine. Efa nandefa teny fialantsiny ity mpilalao ity, saingy tsy nandefitra mihitsy ny sinoa.

Partager sur: