Hanomboka amin’ity herinandro ity ny hetsika famendrahana ranom-panafody miaro amin’ny tazomoka isan-tokantrano ho an’ny taona 2026. Hanatanteraka izany ny governemanta amerikanina, amin’ny alalan’ny tetikasa Evolve sy ny fandaharanasam-pirenena miady amin’ny tazomoka (PNLP).
Haharitra roa herinandro ny hetsika, mitety trano, hotanterahina amin’ny distrika efatra izay mbola tena ahitana trangana aretina tazomoka betsaka. Anisan’izany ny ao Betafo, Mandoto, Manja ary Ikalamavony.
Tsy tokony hisalasala, araka izany, mampandroso ireny ekipa mamendraka ranom-panafody ireny ny mponina satria mandroaka ny moka tsy ho tamana ao an-tokantrano izany. Miaro ny ankohonana manontolo mandritra ny fotoana ivezivezena ao an-tokantrano. Tokony hatory anaty lay misy odimoka hatrany anefa mandritra ny alina.
Mbola mamono olona maro ny tazomoka eto Madagasikara, indrindra amin’ireo distrika sasantsasany, ka mila miaro tena hatrany amin’ny kaikitry ny moka.
Tatiana A





