Tsy salama i Bekoto: Miantso tolo-tanana ny fianakaviany

Noho ny hetraketraka nahazo azy, miaina ao anaty tsy fahasalamana i Bekoto. Manao antso ny fianakaviany sy ny tarika Mahaleo hoenti-manampy amin’ny fitsaboana azy.

Tao anatin’ny efa-taona, niaina tsy fahasalamana i Bekoto, mpikambana ao amin’ny tarika Mahaleo sady anisan’ireo nanorina izany tarika izany. Raha tsiahivina, ny taona 2023, tany Antsirabe, nisy nikapoka tamin’ny hazo (bois rond) i Bekoto. Nanomboka teo no niantombohan’ny tsy fahasalamany. Nanomboka teo ihany koa no nahatonga azy ho reraka be, raha ny fanazavana sy ny fintantaran’i Dama.
Nanatanteraka antso sy fanentanana ao anaty tambajotran-tserasera ny fianaka­viany ho an’ireo izay afaka manampy amin’ny fitsaboana ity andrarezin’ny hira malagasy ity. Marihina fa manao fitetezam-paritra any Eorôpa ny tarika Mahaleo sy ny Tara­naka hatramin’ny faran’ity taona 2026 ity. « Aza avela irery any Madagasikara izy… Izao izy efa hoentinay manao fitetezam-paritra… », hoy i Dama nandritra ilay seho notanterahina ny 17 oktobra teo, tany Frantsa. Mitendry zavamaneno maro (piano sy ny gitara, mitsoka sodina) i Bekoto. Mpamoron-kira ani­san’ireo nanasongadina ny tarika Ma­haleo nanomboka ny taona 1972 ka hatramin’izao. Ma­nana feo miavaka sy to­non­kira mivantana, maneho ny zava-misy eny anivon’ny fia­rahamonina. Anisan’ny sanga­nasany tsy afaka am-bavan’ny olona maro ny « Feno Anao », « Fe­ra­para », « Lagaly », « Fa­san’­adala », « Zakil­i­nina », sns.
Ny lien « Leetchi.com Ca­gnotte: ensemble, soutenons Bekoto Mahaleo » na ny MVola: 038 17 915 37 Rabe­koto Antsa Nathan no ampiasaina raha hanome fanam­piana ho azy, araka ny antso nataon’ny fianakaviany sy ny tarika Mahaleo. Mirary fahasalamana ho an’i Bekoto ny Gazety Taratra.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: