Nanao fanambarana ny eo anivon’ny antoko Tiako i Madagasikara, manoloana ny toe-draharaham-pirenena.
Anisan’ny nivoitra tamin’ izany ny momba ny fifidianana. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Tim, Randriamasinoro Ny Rina,
fa tsy mitombina ny feo aely amin’ny filazana ny tsy hisian’ ny fifidianana. Niaiky koa anefa ity antoko naorin’ny filoha teo aloha, Ravalomanana, ity fa tena misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy mpanao politika. « Fotoana izao ifampiresahana momba izany ho amin’ny fanatanterahana sy fikarakaraka ny zotram-pifidianana. Tsy efa akaiky indray ny fotoana vao hiady hevitra ka ahina hampiitatra lava indray ny toe-draharaha eto amin’ny firenena », hoy izy. Nanteriny fa mba hahafahana miroso amin’ny fifidianana, araka ny tetiandro, efa naroson’ny fitondram-panjakana ny antony.
Etsy andaniny, nanentana ny mpanara-dia azy ny birao politika hiomana ary tsy maintsy mijoro ho fanajana ny teny nomena eto amin’ny firenena amin’ny maha antoko politika tomponandraikitra ny Tim. « Mila manentana ny mpanara-dia rehetra isika handeha hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana », hoy ihany izy. Niantso ireo antoko politika rehetra koa ny Tim ary nampahatsiahy ny andraikitry ny rehetra. « Adidy lehibe ary faritan’ny lalàna ny tsy maintsy anaovan’ ny antoko politika ny fanetsiketsehana ara-politika sy ny fanabeazana olom-pirenena ary ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana », hoy izy.
Notsindriny fa teo hatrany ny antoko Tim na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra.
Synèse R.





