Mpiasam-panjakana ambony miisa 63 nahazo mari-pahaizana momba ny teny frantsay ampiasaina amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena. Notanterahina omaly, teny amin’ny foiben’ny Sekolim-pirenena momba ny Fitantanan-draharaham-panjakana eto Madagasikara (Enam) Androhibe, ny lanonana. Nisy ny loa-bary an-dasy mahakasika ny fanamby amin’ny fananana olom-banona miteny frantsay. Marihina fa notanterahina ny 14 septambra 2026 lasa teo ny fifanaovan-tsoina fiaraha-miasa eo amin’ny Enam sy ny ny Organisation internationale de la Francophonie (OIF). Nahafahana nanatanteraka ny fandaharanasa izany. Natokana ho an’ireo mpiasam-panjakana ambony miisa 75 sy ireo nahazo diplaoma avy ao amin’ny Enam ny tetikasa. Notolorana fiofanana ara-pedagojika avy amin’ny Alliance Française d’Antananarivo ny mpiofana. Izay naharitra telo herinandro sy nahitana 60 ora isaky ny mpandray anjara. Nifantoka tamin’ny fampiasana ny teny frantsay eo amin’ny sehatry ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fanomanana ny fanadinana hahazoana ny Diplaoman’ny teny frantsay matihanina momba ny Fifandraisana iraisam-pirenena (DFP RI) izany. “Zava-dehibe ho an’ny minisitera ny fanomezana fiofanana ho an’ny mpiasam-panjakana, indrindra fa ny eo anivon’ny Enam toy izao”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, Ramanantsoa Antsivahiniriko. 71 tamin’ireo 75 voafantina tany am-piandohana no nahavita ny fiofanana hatramin’ny farany. Vehivavy ny 38 tamin’izy ireo, raha lehilahy ny 33 ambiny. Niatrika fanadinana ny 7, 8 ary 9 oktobra 2026 izy rehetra ka ny 63 no nahazo mari-pahaizana. Tanjona tamin’ity fandaharanasa ity ny hanamafisana ny fahaiza-miteny sy ny fahaiza-mifandray ananan’ireo tomponandraikitra ambony eo amin’ny sehatry ny asa iraisam-pirenena. Voakasika indrindra tamin’ izany ny fiaraha-miasa, ny fifampiraharahana ary ny fifanakalozana ara-diplomatika.
Mino





