Fizahantany ara-kolontsaina : Vehivavy 28 hanamafy ny fandraharahany

Vehivavy mpandraharaha miisa 28 eto Madagasikara no hisitraka fandaharanasam-piofanana sy fanohanana, izay mikendry ny hampiroborobo ny fandraharahana mifototra amin’ny fizahantany ara-kolontsaina.

Natomboka ny alarobia 18 novambra ka hatramin’ny 23 novambra, ny fandaharanasa isam-paritra momba ny Fandraharaha­ran’ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fizahantany ara-kolontsaina « Entrepreneuriat féminin dans le tourisme culturel ». Tetikasa karakarain’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI) sy ny Positive Impact Consulting, izay vatsian’ny Agence française de développement (AFD) vola. Hetsika atao eny amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria eto Antananarivo (CCIA), Antaninarenina. Man­dray anjara amin’izany ireo vehivavy mpandraharaha avy amina firenena dimy, dia i Madagasikara, Kaomoro, Mao­risy, Mozambika ary Sey­chelles. Miisa 28 kosa ireo vehivavy malagasy voafantina hisitraka ny fandaharanasa raha miisa 100 kosa ireo kendrena hisitraka izany, izany hoe, manodidina ny 20 isaky ny firenena. « Tanjona ny hampiroborobo ny indostria ara-kolontsaina sy ny famoronana, ary indrindra ny hampahafantatra an’i Madagasikara amin’ny alalan’ireo harena mampiavaka azy », hoy ny tale jeneralin’ny Entreprendre à Madagascar, Iharimanana Tojo.

Rafitra
Hanome lanja ny fahaiza-manao sy ny vakoka ara-kolontsaina ananan’ny vehivavy ny fandaharanasa mba hahafahan’izy ireo mamadika izany ho asa fivelomana sy loharanom-bola maharitra. Tafiditra ao anatin’izany ny asa tanana, ny nahandro, ny tantara ary ny dihy. Haharitra volana maro ny fiofanana, 12 volana ho an’ny fiofanana an-tsehatra, mbola hisy ihany koa ny fiofanana hampiasana ny teknolojia. Rafitra hatao hanatsarana ny fitantanana ny orinasa. Marihina fa tolotra mampiroborobo sy manintona ireo mpizahantany ny sehatry ny kolontsaina ary mandray anjara mivantana amin’izany ireo mponina eny an-toerana.

Henintsoa

Partager sur: