Sangany tamin’ny tetikasa Sebio ny Dr Valisoaniaretana Larissa. Tetikasa mamokatra fitaovana fiarovana ara-pahasalamana mandritra ny fadimbolana amin’ny alalan’ny akora voajanahary avy amin’ny zavamaniry eto an-toerana ny Sebio.
“Hanao zavatra dieny izao ». Io ny lohahevitry ny tetikasa nahazoan’ny Dr Larissa Valisoaniaretana, ka nahazoana ny “Trophées de l’innovation 2026 de l’IRD”. Teo anatrehan’ ny mpitsara iraisam-pirenena nivory nandritra ny “Women’s Forum Paris 2026” no nahazoany izany loka izany.
Ny Orange Madagascar no nanohana sy nanampy azy nandritra ity dingana ity, niaraka tamin’ny Dr Toziny Viva Elianah, izay isan’ireo tafakatra tamin’ny dingana famaranana ihany koa, noho ny tetikasany antsoina hoe Mihary Vondro.
Mikendry ny hamokatra fitaovana fiarovana mandritra ny fadimbolana, vita amin’ny akondro, vondro ary cellulose azo avy amin’ny mangahazo ny tetikasa.
Amin’ny alalan’ny fampiasana ireo akora voajanahary hita eto Madagasikara, dia mitondra vahaolana mivaingana amin’ny olana mahakasika ny fahasalamana, ny fahamendrehan’ny vehivavy ary ny fahafahana mahazo fitaovana ilaina amin’ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana ny Sebio.
Loka mitentina 10 000 euros sy fanohanana sy fampiofanana matihanina amin’ny fanombohana ny tetikasa no azon’ny Dr Larissa Valisoaniaretana.
Ho fanohanana azy ireo, dia nanome finday avo lenta, fifandraisana amin’ny aterineto ary tolotra Roaming nandritra ny nijanonany tany Paris ny Orange Madagascar.
Ankoatra izany, nandray anjara tamin’ny famatsiam-bola ho an’ny fitiliana teny amin’ ny laboratoara sy ny fanadihadiana ilaina amin’ny fampandrosoana ny fikarohana nataon’ izy ireo ihany koa ny orinasa.
Mbola hitohy ny fanohanana azy ireo amin’ny alalan’ ny « Maisons Digitales » sy ny « Orange Digital Centers », izay hanomezana fiofanana sy fanampiana amin’ny fanombohana sy fampiharana ireo tetikasa.
Tatiana A





