Fitoriana eny amin’ny HCC : hozongozonin’ireo depiote ny sezan’ny filoha Rajoelina

Nangata-panazavana amin’ny maha ara-dalàna na tsia ireo dingana nandravana ilay fitsipaham-pitokisana nataon’ny depiote amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian ny volana desambra teo ny HCDDED. Maromaro ny fanontaniana anaty taratasy ampolony pejy nalefa eny amin’ny HCC. “Mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ve ireo dingana samihafa tamin’izany. Inona ny vokatr’izany eny anivon’ny Antenimie­ram­pirenena”, araka ny voasoratra, ary nohamafisin’ny filohan’ny HCDDE, Navony Pierre Lenoble.

Na izany aza, mitovitovy amin’ny fitakiana fanazavana efa nataon’ izy ireo, niaraka amin’ny de­piote tamin’ny taon-dasa ihany ity antontan-taratasy faharoa ity.
Antony, nahatonga ny HCDDED hanontany ny HCC izany ny amin’ny maha mbola mampitombina ny fahamarinan-toeran’io Andrimpan­ja­kana io, taorian’ireny hetsika fanangonan-tsonia nataon’ny depiote ireny. Nohitsiny anefa fa tsy mifototra amin’ny fampiatoana ny filoham-pirenena amin’ny asany ny fitoriana napetrak’izy ireo. “Zava-doza raha miroso amin’izany isika amin’izao fotoana izao”, hoy ihany ny HCDDED.

Tsy ho ela ny valiny…

Efa nolavin’ny eo anivon’ ny birao maharitry ny Anteni­miera ilay fitsipaham-pitokisana ka nahatonga indray izao fanontanian’ny avy eny Soa­nierana, tonga eny Ambohi­dahy izao.
Etsy andaniny, nisy fitoriana hafa amin’ireo depiote miisa 23 ihany koa nalefa eny amin’ny HCC.
Nilaza ho tsy afaka ma­moaka ny votoatin’izany taratasy fitoriana izany ireo mpi­tsara avo noho ny fihazonana ny tsiambaratelo. “Mbola han­dinika izany amin’ny an­tsi­piriany izahay”, hoy ny HCC. Nampanantena anefa izy ireo fa tsy ho ela ny valin’ izany fangataham-panazavana sy ny fitoriana izany.
Ahina mety ho tonga amin’ ny fikasana hampiato ny filohan’ny Repoblika ny votoatin’ ilay fitoriana. Voatondro ho anisan’ny tao ambadiky ny fisakanana sy nitady ny fomba rehetra tsy ahatanteraka ny
fi­tsipaham-pitokisana ny filoham-pirenena. Anisan’ny dingana iray ahafahan’ireo so­lom­bavambahoaka mampiato ny filoha amin’ny asany ny fan­dikana ny Lalàmpano­re­nena miverimberina, raha tena voaporofo tokoa izany.

Synèse R.

Partager sur: