Naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny fakana am-bavany azy tetsy amin’ny Pac, ny ben’ny Tanàna vehivavy iray. Voapaingotra ihany koa ny mpiara-miasa aminy iray, ny alarobia teo.
Naiditra am-ponja vonjimaika etsy Antanimora, taorian’ny fampiantsoana azy teny amin’ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC), etsy 67 ha, ny ben’ny Tanàna iray avy any Vavatenina. Voapaingotra niaraka taminy ihany koa ny lehilahy iray mpiara-miasa aminy, ny alarobia tolakandro teo. Ity farany izay mpikirakira ny fitantanam-bolan’ny kaominina ao an-toerana sy ny fanangonan-ketra. Voarohirohy tamin’ny resaka fanodinkodinam-bola miampy fanaovana hosoka izy mianadahy ireto.
Tsy ampy 20 tapitrisa Ar ny vola tao amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina iandraketan’ity ben’ny Tanàna ity nandritra ny fitsirihana ny oktobra 2022. Nanokatra fanadihadiana ny eo anivon’ny PAC. Tsy vitan’io, nisy ny kiantranoantrano nampidirana ilay lehilahy voasaringotra miaraka aminy io. Ity farany izay voalaza fa vadin’ny fianakaviana akaiky ny ben’ny Tanàna ihany.
Fandikan-dalàna…
Nahitana fandikan-dalàna avokoa teo amin’ny fanomezana fahazoan-dalana hanorina trano “permis de construire” nataon’ity ben’ny Tanàna ity sy io mpiara-miasa aminy io. Voakasika koa, ny hetran-trano sy ny eny anivon’ ny mpivarotra amoron-dalana ary miampy ny fandraisana ny tamberim-bidy. Nanaovana hosoka sy nampiasana tapakila tsy ara-dalàna “quittance be loha” avokoa ny ankamaroan’ ireo trangan-javatra ireo.
Etsy ankilany, naneho ny alahelony ny ben’ny Tanàna’i Soanieran’Ivongo, Menavolo Alban. “Anisan’ny mahatonga ny fahadisoana eo amin’ny ben’ny Tanàna na ireo mpikirakira vola eo anivon’ny kaominina ny fahasarotan’ny famoaham-bola eo amin’ny fitehirizam-bolam-panjakana”, hoy izy. Misy asa maika ilàna ny vola ka lasa lasibatra ny ben’ny Tanàna, araka ny fanamafisany. Manampy ireo, ny tsy fahaiza-manao eo amin’ ireo mpikirakira vola noho ny tsy fahampian’ny fampiofanana anivon’ny kaominina ambanivohitra, toy ireny.
Sajo/ Tsiferana R.




