CIRGN – Antananarivo : nandray ny fibaikoana ny kolonely Randrianarimasy Radosoa

Tontosa omaly ny famindram-pibaikona eo amin’ny kaomandin’ny fari-piadidian’ny zandarimaria Antanana­rivo. Namindra ny andraikitra ho an’ny kolonely Randriana­rimasy Radosoa ny kolonely Randrianarijaona Herifidy Jocelyn. Narahina matso na­taon’ny zandary tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina izany.
Nanome voninahitra ny fo­toana ny minisitry ny Fiaro­vam-pirenena sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria. Nanao rodobe teny an-toerana ny mpikambana eo anivon’ny governemanta sy governora ary ireo solombavam-bahoaka ato anatin’ny faritra Anala­manga. Nanotrona izany koa ny tomponandraikitra ambony isan’ambaratongany, ny zandary ary ny vadina zandary. Nitarika ny lanonana ny Jly Rakotondrazaka Andry, kaomandy ambonin’ny Zanda­ri­ma­riam-pirenena.
“Nahavita be ny kolonely Randrianarijaona Herifidy Jocelyn, nandritry ny herin­taona sy tapany nifehezany ny CIRGN Antananarivo. Mandri­­sika sy mankahery ny kaomandin’ny CIRGN vaovao amin’ny fanohizana ireo ezaka efa vita sy hikatsaka ny mihoatra izany, araka ny fa­hefana sy ny fivoaran’ny toe-draharaha. Indrindra amin’ny filàn’ny fanjakana satria ny asan’ny Zanda­rimaria dia natao hiaro ny andrim-panjakana, ny Olombelona sy ny fananany”, hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Jly Serge Gellé. Notohizany fa diso ny filazana fa hery famoretana ny mpitandro filaminana. Araka izany, nanentana ny rehetra ny Seg mba hifanolo-tanana amin’ny mpitandro filaminana amin’ny alalan’ny tagnamaron’ny fandriampahalemana.

Manamboninahitra

Efa nisahana andraikitra maro teo anivon’ny foiben’ny fibaikoana ny zandarimariam-pirenena ny kolonely Randria­narimasy Radosoa. Kaoman­din’ny vondron-tobim-pileovana Vakinankaratra nanomboka ny 11 mey 2019 izy, mi­aloha ny nanendrena azy izao. Kaomandin’ny vondron-to­bim-paritry ny zandarimaria Maintirano, ny taona 2005 ka hatramin’ny desambra 2007. Taorian’izay, nitana ny andraikitra mpanolotsaina miaramila misahana ny fifandraisana maneran-tany (conseiller militaire chargé des relations internationales) tao amin’ny kabinetran’ny primatiora izy. Nitana andraikitra maro teo anivon’ny fanarenana ny tsy fandriam-pahalemana sy fiadina amin’ny asa fampihorohoroana. Isan’ireo manamboninahitra ambony nametraka sy nandrafitra ny “reférentiel de compétence et de formation” tao amin’ny sekoly ambonin’ny zandarimariam-pirenena ao Mora­manga izy.

Henintsoa Hani

Partager sur: