Fakana an-keriny: jiolahy valo, maty voatifitry

11 andro aty aoriana, tsy mbola navotsotr’ireo mpaka an-keriny izy telo mianadahy. Nihena ho 50 tapitrisa Ar ny sandan’ny takalonaina. Maty voatifitry ny zandary ny valo amin’ireo olon-dratsy tao Morarano Chrome.

Mitohy hatrany ny “opération Ha­ra­to”, ataon’ny mpitandro filaminana ao amin’ny distrikan’Amba­tondra­zaka, momba ilay trangana fakana an-keriny tao Ambohima­narivo. Tafa­katra valo ireo jiolahy maty voatifitra sy voasaringotra amin’ity raharaha ity, hatramin’izao. Nirefodre­fotra ny basy tao amin’ny kaominina Bejofo, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo. Lavon’ ny mpitandro filaminana ny roa lahy hafa, voarohirohy tamin’ilay raharaha fakana an-keriny. “Tsy fantatra raha natao fanadihadiana ireo olona voatifitra ireo. Mety ho karazana sarika am-pandriana koa anefa ny na­hatrarana azy roa lahy ”, hoy ny loharanom-baovao iray ao an-toerana. “Omaly maraina vao hitan’ny fokonolona ilay vaovao. Tao­rian’io, napetraka ao amin’ny biraon’ny kaominina ireo vata-mangatsiaka mi­andry ny havany haka azy”, hoy hatrany ny mponina any an-toerana, loharanom-baovaonay.
Feno 11 andro no nakana an-keriny ireo telo mianadahy tao Ambohimanarivo. Tsy mbola navotsotry ny olon-dratsy hatramin’izao. Mazava ho azy, mitohy ny hetsika ataon’ny miaramila sy ny zandary any an-toerana. Tanjona ny fanavotana ny lasibatra sy ny famongorana ny asan-jiolahy sy ny trangana fakana an-keriny.
Mitohy ny fanadihadiana sy ny hazalambo rehetra, araka ny vaovao avy any amin’ny zandarimariam-pirenena. Tsiahivina, jiolahy enina no efa maty voatifitra tao Mo­rarano Chrome sy Andrano­be, distrikan’Amparafara­vola, ny sabotsy lasa teo. “ Samy voasaringotra amin’ity asan-jiolahy ity avokoa ireo lavo.”, hoy ny mpitandro filaminana. “Tsy hijanona eo ny raharaha. Mbola hitohy amin’ny fa­mantarana ireo rehetra voatondro nanao ity fakana an-keriny ity ny famotorana atao”, raha ny tatitra avy amin’ny mpanao fanadihadiana hatrany.
Efa nihena ho 50 tapitrisa Ar ny vola takin’ireo mpaka an-keriny ho sandan’ny takalonaina miisa telo. 200 tapitrisa Ar no niatombohan’ny fitakiana ny andron’ny fakana an-keriny.

Henintsoa Hani

Partager sur: