Voly First Immo : hisitraka ny tetikasa ny mpianatra 18 000

Nozaraina tamin’ny mpi­anatra 400 teo anivon’ny EPP Antanimena I indray ny vokatra azo avy amin’ny tetikasa iarahan’ny CUA sy ny First-Immo, omaly. Na­mokatra katsaka 238 kg ity sekoly ity tamin’ny alalan’ny fanatontosana io tetikasa io. Nositra­han’ireo mpianatra araka ny lamina efa na­petrak’izy ireo izany. Raha tsiahivina, miala voly sady mianatra mamboly miampy fandraisana andraikitra ireo mpianatra maherin’ny 18 000 eny anivon’ny EPP eto an-dRenivohitra amin’ny alalan’ny ity tetikasa ity. Ha­ma­tsiana ireo karazana le­gioma rehetra sy voankazo fihinam-boa, eny anivon’ireny « cantine scolaire » ireny, ity tetikasa ity. Natao hampivelarana ny ara-tsain’ireo mpianatra fa indrindra hampianarana azy ireo sahady ny fambolena izany. Mizara isaky ny kilasy ny fiandraiketana sy fikarakarana ireo voly legioma ireo. Mandray anjara mavitrika amin’ny fikolokoloana avokoa, noho izany, ireo mpianatra. Ma­rihina fa hitohy eny amin’ny EPP Nanisana ny fiotazana ny vokatra ny alakamisy izao. Ny zoma kosa, ho an’ny EPP Manja­karay.

Tsiferana R.

Partager sur: