Filoha Rajoelina Andry : “Mila mandray andraikitra sy tohanana ny vehivavy”

Anisan’ny nasongadin’ny filoha Rajoelina Andry, tamin’ny lahateniny, tetsy Maha­masisna, omaly tamin’ny fanamarihana manetriketrika ny 8 marsa, ny fanomezana hasina sy andraikitra ny vehivavy. Nisy ny toromarika nomeny tamin’izany.

Nambaran’ny filoha ta­min’izany fa miharitra ny mafy ny vehivavy. Manasitrana rehefa marary, nitaiza sy nanabe, nitantana… Nisaorany manokana izy ireo amin’ny anaran’ny lehilahy sy ny zanaka. Ianareo no loha­rano nipoiran’ny olom-pire­nena sady fanantenana ho an’ny firenana, araka ny nambarany. “Mila mandray andrai­kitra sy tohanana amin’ny fiainana andavanandro sy amin’ny adidy aman’andraikitra eto amin’ny firenena ianareo”, hoy izy. Nanteriny fa mendrika hankalazaina ny 8 marsa. Nisaorany manokana ireo niampita lakana sy nandeha an-tongotra ary nanava­tsava lohasaha ka tonga soa tao Mahamasina. Notsindriny fa niavaka ny fanamarihana izany manerana ny Nosy, indrindra ny teto Antanana­rivo. Nankalazaina tamin’ny fomba kanto sy meva ary ma­netriketrika izany. Hita taratra amin’ny fomba fitafy sy ny dihy. Teo koa ny tsiky ka nandona ny fo sy mamelona ny aina, araka ny nambaran’ny filoha hatrany.
Notsiahiviny tamin’izany fa manana anjara toerana lehibe amin’ny fiainan’ny zanak’ olombelona ny vehivavy. Tsy takatry ny saina ny andraikitra sahanin’izy ireo. Eo amin’ ny fiainana andavanandro sy eo anivon’ny tokantrano.
Hanao ny raharaha rehetra ny lehilahy…

Nentaniny ny lehilahy re­hetra mba hanaja ny vehivavy. “Aoka tsy hanilika azy ireo. Mba tsy hatao fankalazana fotsiny ihany ny anio”, hoy izy. Nanome baiko ny tenany avy eo fa tokony hanao ny raharaha rehetra ao an-tokatrano ny lehilahy, anio (omaly) sy amin’ny sabotsy ho avy izao. Matetika odiana tsy hita sy tsy ankasitrahana ny vehivavy ary miharitra ny mafy ka rariny raha ankalazaina izany, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa tena raitra sy nirindra avokoa ny fandaminana rehetra ny hetsika sy ny seho tetsy Mahamasina. Ny diabe na karazana matso nataon’ireo vehivavy, naneho ny kolontsainy avy amin’ny faritra niaviany. Niavaka ny seho an-tsehatra nataon’ireo andriambavilanitra sy ny haingo ary ny ravaka samihafa teny an-toerana.

Synèse R.

Partager sur: