Nanolotra ny fandaharanasa sy ny fomba fiasa ho an’ ny taona 2023 tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Foloalindahy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, omaly, tetsy Soanierana. Anisan’ny toromarika nomeny ao anatin’izany ny amin’ny fanatanterahana ny asa sy vina ary paikady napetraky ny minisitera, iandraiketany.
Nambarany fa hohamafisina ny fitsipi-pifehezana eo anivon’ny Tafika amin’ny fiatrehana ireo zavatra maro mitaky fandraisan’andraikitra. Eo koa ny fiantohana ny fiarovana sy ny fandriampahalemana amin’ ny sehatra rehetra. Na an-tanety, na ana habakabaka na an-dranomasina. “Hotanterahina amin’ny alalan’ny fametrahana fiarovana matotra sy maharitra ka hanamafy ny fitokisan’ny vahoaka ny Tafika izany”, hoy izy.
Etsy andaniny, nambarany fa ho tohizana ny fanitsian-drafitra efa napetraka. Tafiditra anatin’izany ny fanamafisana ny fanazaran-tenan’ireo miaramila mba hahazoana vokatra tsara kokoa eo amin’ ny asa fampandriana fahalemana.
Fijoroan’ny Foloalindahy amin’ny fiatrehana ny fifidianana
Anisan’ny nanotrona izany ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nisaorany ny ezaka vitan’ ny Foloalindahy ary nahitam-bokany izany. Mila fitohizana izany ary mila miorina amin’ ny fifamenoana ny fandraisana andraikitra rehetra ho tombotsoa ambonin’ny firenena, araka ny nambarany. Nohamafisiny fa natao hampatanjaka bebe kokoa ny Foloalindahy ny fanitsiana ny rafitra napetraka. Nanafatrafatra ny tenany avy eo amin’ny hiatrehana ny fifidianana amin’ity taona ity. Mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. “Maro ny ambana hatrehina ka mila mijoro ny Foloalindahy ary hibanjina ny mahasoa ny firenena hatrany”, hoy ihany izy.
Synèse R.