Saika hiondrana antsokosoko : olona 22 hita faty narendriky ny sambo

Tafakatra 22 ireo olona hita faty taorian’ilay lozan-dranomasina teo anelanelan’Ankazomborona sy Nosy Faly, afakomaly. Ireo 24 hita velona kosa nitsoaka sy karohina noho ny tahotra.

Faty olona niraradraraka. Nitrangana lozan-dranomasina mahatsiravina teo Ankazomborona, fokontany sy kaominina Beramanja, distrikan’Ambilobe, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo. Rendrika teo anelanelan’ An­kazomborona sy Nosy Faly ny sambo iray nitondra ireo mpiondrana antsokosoko sai­ka ho any amin’ny Nosy May­otte. Hatramin’ny ora farany nanoratanay, nahatratra 22 ireo olona hita faty. Misy zaza amam-behivavy izany raha mitotaly 24 kosa ireo velona. Tsy mbola voafaritra mazava ny toerana niaingan’ilay sam­bo saingy tra-doza teo anelanelan’ireo toerana voalaza etsy ambony izy, ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Nahita izany ny mpanjono teny an-toerana ka niezaka nanavotra ireo mpiondrana rehetra. “Misy 25 ireo hita tamin’izay mandra-paharaina ny andro, ka roa no maty rehefa tonga an-tanety. Vehi­vavy ny iray raha lehilahy kosa ny iray”, hoy ny loharanom-baovao iray hafa. “Efa ny alahady tokony ho tamin’ ny 8 ora maraina teo vao nampandre anay ireo mpanjono ka teo vao natao ny fitadiavana rehetra”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao Ambilobe. Teo vao nanampy tamin’ny fitadiavana ireo tra-doza ny mpitandro filaminana. Nofo mangatsiaka roa no hita tao Ankazomborona

Nandositra ireo sisa velona
Nanampy tamin’ny fikarohana ny mpitandro fiilaminana avy ao Nosy Be. Vokany, vatana mangatsiaka 20 no hita tany amin’ny fari-dranomasina Nosy Faly, ka hoentina any Ankify, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Etsy ankilany, karohina avokoa ireo olona 24 velona sy avotra tamin’ity loza ity. Nandositra avokoa izy rehetra noho ny tahotra isan-karazany. Hatramin’ny ora farany nanoratanay, mbola manohy ny fikarohana ny mpitandro filaminana.
Ankoatra ity, raim-pianakaviana iray 39 taona sy ny zanany vavy 14 taona koa no hita faty, omaly maraina, natsingevan’ny ranon’Ikopa rehefa rendrika tamin’ny lakana teny Ambohitrimanjaka, ny sabotsy teo. Nampakarin’ireo mpamonjy voina ny vata-mangatsiaka. Fantatra fa monina eny amin’ny manodidina izy mianaka ireto.

Henintsoa H.

Partager sur: